Politique

Enjehin’ny Lehiben’ny Faritra Nampiato ny fandaharany ny FM 104, radion'i Herizo Razafimahaleo


  • Talata 21 Jona 2011

Nampiato tanteraka ny fandaharany ny alin’ny alatsinainy 20 jona, nanomboka tamin’ny valo ora, ny radio FM104 ao Ambositra, renivohitry ny Faritra Amoron’i Mania.

 Moana tsy namoaka feo ity radio tsy miankina ity nanomboka teo ary hitohy anio tontolo andro. Ny antoandron’io alatsinainy io dia efa tsy nisy fandaharana, fa hirahira ranofotsiny no nandeha tao amin’ity FM104 ity, izay radio be mpihaino ao Ambositra sy ny manodidina. Ny antony, araka ny fanazavan’i Simon Andriantahinomenjanahary, mpanao gazety sady mpiandraikitra ity radio naorin’i Herizo Razafimahaleo ity, dia mahatsiaro voageja ny mpanao gazety ireo amin’ny ataon’ny Lehiben’ny Faritra. Notorian’ity farany ny tompon’andraikitr’io radio io. Fitoriana roa sosona, resaka fanalambaraka sy firaisana tsikombakomba, raha nampivahiny olon-tsotra haneho hevitra tao amin’ny radio. Mifamatotra amin’ny olan’ny mpanao asa tanana, ka nahatonga ireto farany nanao fihetsiketsehana an-dalambe tao Ambositra ity raharaha ity. Omaly alatsinainy no natao famotorana teo anivon’ny Polisy ao Ambositra i Simon. Misy mpanao gazety roa hafa koa tafiditra ao anatin’izany, noraisina ho vavolombelona izy ireo.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT