Tsikaritra teny analakely omaly fa efa niomana fatratra ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny emmoreg ary efa nanana paikady mipetrapetraka tsara mihitsy mba hanosehana ireo olona mivangongo na mitangorongorona teny Analakely.
Tahaka ny manao dia mirindra ny firoson’ireo polisy, zandary ary miaramila omaly. Maro be rahateo izy ireo no teny an-toerana efa tena nifanisa tamin’ny olona nivorivory mihitsy aza raha ny fahitana azy. Hany ka mora ny nanosika ireo andian’olona teo afovoan’Analakely tamin’ny araben’ny fahaleovantena hiakatra ety akaikin’ny Glacier sy ny Esplanade.Ny sasany kosa natosika hikisaka tany amin’ny arabe misy ny lisea Jean Joseph Rabearivelo.Nanakatom-baravarana ny ankamaroan’reo mpivarotra, tsy nisy azo nivarotana ny teny ambany Arcade, voaroaka hatramin’ireo mpanamboatra telefônina anaty fiara sy ny mpanao varo-mandeha.Natao tsara ambina ny lapan’ny tanàna.Isan-karazany, miandahy miambavy ny emmo reg teny Analakely ary hita fa maro no nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ankoatry ny fitaovana fampiasa rehefa misy hetsika an-dalambe. Tena naneho ny heriny omaly ny mpitandro filaminana ary tahaka ny efa milaza fa ho tahaka ireny foana no mitranga isak’izay misy mikasa hitarika olona hidina an-dalambe.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.