Politique

Emile Ratefinanahary Te hahazo seza mafy ?


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Mitsipaka tanteraka ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara i Vazaha na Emile Ratefinanahary, anisan’ireo lohandohan’ny mpisorona tao amin’ny TIM Eoropa saingy efa nisafidy ny hiova lasy fa tsy hiara-mitolona intsony amin’ny zanak’i Dada.

 Ankehitriny dia Sekretera jeneraly lefitry ny TIM Raharinaivo izy ary anisan’ireo mahita fa tokony hampanginina ny hambom-pon’ny mpanao politika fa ny tombontsoa iombonana sy izay hahasoa ny firenena no hany mibaiko amin’ny zavatra atao rehetra. Mety tsara mihitsy, araka ny fahitan’i Vazaha azy, ny nataon’ireo olon’ny Tiako i Madagasikara sy avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana nanaiky ny hiditra ao amin’ny governemanta sy ny Parlemanta. Mikasika ny filoha teo aloha kosa dia nambarany fa tsy hitondra fitoniana sy filaminana eto mihitsy ny fahatongavany ka ny tsara aminy aloha dia ny mijanona any ivelany. Tsy dia manaitra ny olona intsony moa tato ho ato ny fivadihana palitao tahaka izao satria efa mahazatra amin’ny mpanao politika malagasy izy io. Anisan’ireo nanohana tsy misy fepetra an’i Marc Ravalomanana i Vazaha hatramin’izay ary nandray anjara mavitrika mihitsy tamin’ireo kazarana fihetsiketsehana ho fanoherana ny FAT na teto an-toerana izany na tany ivelany. Mbola azo anaporofoana izany ny fanambarana isan-kazarany navoakany. Nivadika tanteraka anefa ny rasa amin’izao fotoana ary mahita indray izy fa vahaolana ny fiaraha-miasa amin’ny FAT ary mety ny hidirana ao anatin’ny rafitra tetezamita izay tsy mbola nahazo fankatoavana na eto an-toerana na any ivelany amin’izao fotoana. Araka ny tsiliantsofina re dia anisan’ireo mieritreritra ny hiditra lalina kokoa amin’ny politika ny Dr Emile Ratefinanahary ary mikendry ny toerana minisitra mihitsy aza. Mety ho izay no antony hitorahany voninkazo ny FAT sy ireo TIM namadika palitao sy hanakianany mafy ny filoha teo aloha, sao mba hitsikian’ny vintana ihany ka mahazo seza…

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT