Politique

Elyett Rasendratsirofo Manahy ny amin’izay fifidianana hatao eto


  • Alatsinainy 14 Jona 2010

Tamin’iny faramparan’ny herinandro iny dia nampiantso ireo mpanao gazety ao La Réunion, namaky bantsilana ny «teny roa ataon’ny fanjakana frantsay», i Elyett Rasendratsirofo.

Zava-baovao ny zava-nitranga tany Nice, hoy ity minisitry ny raharaham-bahiny tamin’ny governemanta Manandafy, ny mifanohitra amin’izany anefa no atao ao La Réunion. “Henatra ho anareo Frantsay ny tsy fanajanareo ny maha anareo anareo”, hoy izy. Porofon’izany, hoy izy, tany Nice dia tsy nasaina i Madagasikara, kanefa kosa tao La Réunion, tamin’ny alalan’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana na ny COI, dia nandray iraka avy amin’ny FAT. Karazana fitaovana hampanjaka ny Frantsay ny COI ankehitriny, hoy ity mpampianatra taranja Tantara ao amin’ny kolejy Md Misely ao Saint Denis ity. Nohitsiany ihany koa ny nanivahan’i Maorisy izay toa an’i Madagasikara, sady mpikambana ao amin’ny COI no mambra amin’ny SADC. Raha ny lojikany dia tokony hanara-dia ireo mpiara-mikambana i Maorisy, hoy i Elyett Rasendratsirofo kanefa tsy izay no zava-nitranga.

Fa nasiany resaka ihany koa ny momba ny vondron’orinasa Tiko izay an’ny filoha Ravalomanana, ary anisan’ny nitondra fampivoarana ara-toekarena teto Madagasikara nialoha ny krizy. Krizy izay mety hahafaly ireo Nosy rahavavy, hoy izy, tsy nitsitsy fitenenana satria mahafaly ireo mpampiasa vola ny haka ny toeran’ny Tiko. Tetsy an-kilan’izany dia niantso ireo mpanao gazety i Elyett Rasendratsirofo hijery ifotony ny tsy fanajana ny demokrasia eto Madagasikara. Raha ny fahitany ny zava-misy ankehitriny, dia tsy hisy mpanao gazety hahazo hijery ny fizotry ny fifidianana heverina hatao ny volana novambra ho avy izao ary dia manahy koa ny tenany fa dia tsy ho demokratika ny hizoran’ny fitsapan-kevi-bahoaka heverina hatao ny 12 aogositra. Ny antsasa-manilan’ny Malagasy, hoy izy, dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra avokoa ka tsy sarotra ho an’ny FAT ny manao izay azony hatao amin’ny tsindry isan-karazany, tsy misy intsony koa haino aman-jery manohitra taorian’ny nanakatonana ny radio Fahazavana. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT