Politique

Elia Ravelomanantsoa «Tsy mety izao !»


  • Alatsinainy 31 Mey 2010


Nandon-databatra manoloana ny zava-misy, ny tsy rariny mianjady amin’ny firenena sy ny vahoaka i Elia Ravelomanantsoa omaly. Sarotra ny hangina, hoy izy satria mandratra ny fo ny zava-miseho ka miantso ny rehetra ny tenany mba handini-tena. Anisan’ireo notanisainy ireo mpandrombaka fahefana, ireo manana fahefana avy amin’Andriamanitra sy olon-tsotra koa. Fanontaniana moa no napetrany hoe : “F’angaha dia tena efa tsy misy intsony ny tahotra an’Andriamanitra sy ny tody no dia manao sy mifanao izao lava isika mianakavy rey olona e ? Sao mba tsy ho zaka ny valin’izao!

Raha manevateva olona ny mpanao gazety, na iza na iza, aoka halana aminy ny zo manao ny asany (izay tsy hajainy intsony), ary hajaina na izany aza, ny zo fototra maha olona azy. Raha hevitra no mifanohitra, ny fahendrena mandajalanja ny lalàm-piainana no aoka hisy. “Mba miangavy antsika rehetra am-panetren-tena aho ny mba hiverina amin’ny lalan’Andriamanitra. Tsy mety izao”, hoy ihany ny filohan’ny antoko Madagasikarantsika.
 
Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT