Politique

Elia Ravelomanantsoa Mifangaro ny laharam-pahamehan’ny FAT


  • Alarobia 07 Aprily 2010

Miha sahirana sy tena miha mahantra ny Malagasy, hoy i Elia Ravelomanantsoa, filoha nasionalin’ny antoko Madagasikarantsika.

Manoloana izany indrindra dia manao antso avo amin’ny olom-pirenena rehetra ity antoko ity mba handray andraikitra hiatrehana ny hamafin’ny fiantraikan’ny krizy. Araka ny fanazavana dia mifangaro ny laharam-pahamehan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT). Natao an-kilabao hatrany, hoy i Elia Ravelomanantsoa ny resaka sosialy sy fandriampahalemana. Eo amin’izay resaka fandriampahalemana izay ihany dia soso-kevitra no nambarany ny amin’ny tokony hanaparitahana ireo miaramila mbola tavela any amin’ny toby any hijery ny fahasahiranan’ny olona izao dieny izao. Raha tiana ihany koa ny hisiana fiandrianam-pirenena dia mila ampy sakafo ny vahoaka. Ny zava-misy ankehitriny anefa, hoy ny filohan’ity antoko dia ny iainana androany tadiavina rahampitso. Manoloana izany dia tokony hisy hiteny sy hijoro.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT