Politique

Elia Ravelomanantsoa Manaiky ny fodian’i Marc Ravalomanana ?


  • Alarobia 15 Jona 2011

Tokony hifarana hatreo amin’izay ny fanohanana tsangan’olona amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara fa ny tsangan-kevitra no hifampidinihana, hoy Rtoa Elia Ravelomanantsoa mpikambana ao amin’ny Cst sady anisan’ireo mpitarika ny vondrona politika Escopol, ary nanatrika ny fihaonan’ny Sadc tany Gaborone.

Maro be ny lesona tokony horaisin’ny mpanao politika Malagasy, araka ny nambarany, ary tokony hanova zavatra eo amin’ny sehatry ny fanaovana politika iny fanapahan-kevitra nivoaka tany Sandton ny alahady lasa teo iny. Tsy mety intsony ilay mampifantoka ny olana na ny vahaolana amina olona iray, izay na heverina ho toy ny Andriamanitra kely na ambara fa devoly, araka ny nambaran’ity mpikambana ao amin’ny Escopol ity fa tokony hahay manao politika araka ny fomba moderina sy tena mampandroso amin’izay ny Malagasy. Tokony hatsahatra manomboka izao ny fifampitsapan-kery, araka ny heviny ihany, fa mila mampiseho fahendrena sy fahamatorana amin’izay ny mpanao politika Malagasy. Araka ny fahatsapan’ny mpanara-baovao politika azy dia tsy mitsipaka ny mety hiverenan’Atoa Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona Escopol na dia somary miolakolaka ihany aza ny fomba fanehoan’izy ireo hevitra.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT