Mitohy hatrany ny asan’ny sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika, na ny ESCOPOL, fa tsy hoe nijanona tamin’ny fanasoniavana ny fifanarahana politika tsy akory. Araka ny nambaran-dramatoa Elia Ravelomanantsoa, izay mpitondra tenin’ny ESCOPOL dia efa niroso tamin’ny fanoratana ny rijan-teny ho amin’ny fananganana ny parlemantan’ny tetezamita ry zareo.
Tsy maintsy jerena sy arahana mantsy ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana amin’ny fananganana izany rafitra izany, fa tsy hoe atsangana araka izay itiavana azy fotsiny ilay izy, araka ny nambaran’i Elia Ravelomanantsoa. Nambarany ihany koa fa tena handray anjara mavitrika amin’ny fihaonambem-pirenena amin’ny herinandro ho avy io ny ESCOPOL, satria tohin’ny dinika rehetra efa natao ihany izany, ary hamehezana ny tolo-kevitra rehetra nipoitra. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny krizy faran’izay haingana ny sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika, araka ny nambaran’ny mpitondra teniny, ka hanampy betsaka amin’izany ny fanatrehany ny fihaonambem-pirenena, izay handraisan’ny solontenan’ny vahoaka anjara, fa ahitana ihany koa ny mpanao politika. Fa mandra-piandry ny amin’ny herinandro aloha, dia mitohy hatrany ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra eo anivon’ity ESCOPOL ity, ary mbola misokatra midanadana ho an’ireo antoko hafa, ny varavarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.