Tsy tao Moramanga sy ny manodidina azy fotsiny no nahazoam-baovao mikasika ny fizarana vatom-pifidianana efa voakosoka eo amin’ny « Eny », fa ireo toerana rehetra nandalovan’ny mpitondra ny FAT sy ny mpikambana CST nanaovana fampielezan-kevitra rehetra.
Miteny ny vola
Taorian’ny vaovao azo tao Andasibe, dia mitaraina koa ireo vahoaka ao Mananara avaratra sy Marolambo ary Antanambao Manampontsy, araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo taty aminay, fa « tsy vitan’ny mizara ireo volavolan-dalàmpanorenana sy manazava izany ary mampirisika ny vahoaka ho tonga maro hifidy izy ireo fa tonga hatramin’ny fizarana vatom-pifidianana efa voamarikaeo amin’ny Eny mihitsy ary mampirisika ny handrotsahana izany ny 17 novambra ho avy izao, ho solon’ny vatom-pifidianana eo anivon’ny birao fandantsaham-bato izay entina mody ». Voalazan’ny vaovao hatrany fa « ny sefo fokontany izay karamaina 100.000 ariary sy ny ekipan’ny kaominina omena 1.000.000 ariary isany ary ireo ekipan’ny KME omena vola 5.000 ariary isan’andro, no mitety tokantrano manao izao fomba hafahafa izao ; ny vahoaka kosa aorian’ny fampahafantarana ny vatom-pifidianana entiny mody vao homena 5.000 ariary »
.
Misy koa ny lavo-tondro
Tsy vitan’ny vatom-pifidianana efa misy marika « X » eo amin’ny Eny fotsiny no hita amin’izao fizarana vatom-pifidianana aparitaky ny mpitondra FAT sy ny CST manao fitsidiham-paritra izao, fa eo koa ireo vatom-pifidianana efa misy lavo-tondro izay natokana ho an’ireo fianakaviana tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Ka mandritra ny fizarana azy ireo no asaina mifidy arakaraka ny mari-pahalalany ny olona. Tsy ny olon-tsotra ihany no anaovana tery vay manta tahaka izao, fa ireo mpiasam-panjakana samy hafa ihany koa. Ho an’ireto farany indray dia ny famindran-toerana sy fandrangarangana Bianco ary ny Inspektera jeneralim-panjakana (IGE) no atao aminy; ary hivoahan’ny vava ratsy mihitsy araka ny fampitam-baovao marim-pototra fa « raha tsy lany ny Eny, na betsaka ny tsy mifidy aty aminareo, dia hihatra aminareo ny famindran-toerana sy ny fanadihadiana samy hafa ary tsy maintsy gadraina ianareo fa tsy nanaraka ny toromariky ny fanjakana ».
CENI mody fanina
Hatramin’izao aloha, tsy hita izay tena hevitry ny sampan’ny CENI, dia ny CER sy ny CED mikasika ity tranga izay mandalo eo ambany masony sy ren’ny sofiny ary efa mahazo vahana ity. Raha ny fandaharam-potoana efa voaomana taorian’ny fianianana nataon’izy ireo ampahibemaso sy an-tsoratra anefa, dia tokony ho efa anaty fitsidiham-paritra koa izy ireo ankehitriny. Vokatr’izao fahanginana izao, dia maro ireo mpanara-baovao no milaza fa « toa natao hanafenan-dratsin’ny fanjakana mihevitra ny hamadika ny safidim-bahoaka sy vonona hanao hala-bato fotsiny ny fananganana ny CENI sy rantsany samy hafa. Toa ny miaro ny mpanao ratsy sy manome vahana ny mpandika lalana indray aza no ataony, mpisolovava rahateo ny filohany ka mahay miaro ny mpanao ratsy ».
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.