Tsy voafehy intsony ny tandapa sy ny olona akaikin’ny filoha fa samy manao izay saim-patany. Samy tompon’ny afera rahateo ka manomboka mifampialona tanteraka.
Raha niezaka nifampiaro ny samy akaiky ny filoha, dia tsikaritra ho mifandentika sy mifanajabaka ankehitriny. Porofon’izany iny nisamborana an-dRazaimamonjy Claudine omaly hariva iny. Samy te hisolelaka sy te ho tsara fialofana eo ambany elatry ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina avokoa ny ankamaroany mba hahafahana miaro tena sy hampandeha ny afera. Re ihany koa fa ao ny manao fitan-droa, ka manomboka mifandray amin’ny adversera, izay no tena maharomotra an-dRajaonarimampianina mivady. Efa manomboka leo sy manadio tena ny filoha ankehitriny, ka tsy maintsy miezaka mamono afo noho ny laza ratsin’ny fitondrana, indrindra fa ny tenany manokana, izay efa manomana fatratra ny fifidianana 2018. Re koa fa efa tsy mifampatoky tanteraka ireo manodidina azy ary mifampiandry an-kendritohana noho izy ireo samy te ho lohany hatrany. Efa tena raikitra ny ady raha ny fahitana azy, ary efa mandeha ny feo fa tsy hipetra-potsiny i Claudine Razaimamonjy raha afaka soa aman-tsara amin’izao fanenjehana azy izao. Voalaza fa vonona hampiteny ny herin’ny volany sy ny hareny ity vehivavy nalaza ho tsy azo kitikitihina ity, izay mahatsiaro ho afa-baraka tanteraka ankehitriny. Mivoaka anefa ny vaovao fa tsy tafavoaka mora any ity vehivavy ity, izay re fa nanomboka namadika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.