Hafa kely ny iraka ampanaovina ireo ekipan-dRaharinaivo taorian’ny fivoriana voalohany ny filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny kongresin’ny tetezamita.
Raha fizarana vatom-pifidianana efa voakosoka sy fanaovana fampielezan-kevitra ny an’ireo ekipan’ny CST sy ny CT hafa, ny an’ireo ekipan-dRaharinaivo ireto kosa dia hanao izay handresena lahatra ny Reg-TIM eny anivon’ny faritra, mba hanohana ny hevitra izy ireo sy hiara-kikarakara ny fifidianana efa atao an-kisesy ato ho ato. Ao Toamasina ankehitriny ireo CST sy ny CT miaraka amin-dRaharinaivo ireo. Nampiantso fihaonana tamin’ireo TIM tao Toamasina izy ireo hanaovana tatitra sy hifampitana izany vaovao izany. Ny nahagaga ny maro aloha tamin’ity fihaonana ity, raha ny birao fiasan’ny mpikambana TIM roa samy hafa no hifandimbiasana hivoriana hatramin’izay, dia nisafidy ny biraom-panjakana dia ny antenimeran’ny varotra, ireto ekipan-dRaharinaivo nahitana an’i Joma Ernest sy Ratelolahy ireto nanaovana ny fivoriana. Nandritra ny fihaonana ihany koa, dia tsy nionona tamin’ilay fanaovana tatitra sy fifampitana vaovao fotsiny koa ny anton-dia nampanaovina azy mirahalahy ireto, fa tonga hatramin’ny filazana ny maha tomponandraikitry ny TIM faritanin’i Toamasina an’ingahy Ratelolahy sy ny fanambarana fa handrotsaka olona ho kandida ny TIM amin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna ho avy izao.
Teo no nanomboka ny olana teo amin’ireo mpivory ka rava maina nony ny farany, noho ny fangatahan’ireo mpikambana tena TIM ireo ny ipoiran’ingahy Raharinaivo hanazava ny tena fandehan’izao raharaha izao. Rava maina anefa izany ny tetika ny handresy lahatra ireo mpikambana ny Reg-TIM tao Toamasina, tamin’ity fivoriana natao teo anivon’ny antenimieran’ny varotra ity. Anisan’ny tetika hanambazana ireo mpikambana TIM nataon’ireto mpikambana CST mirahalahy ireto moa ny hoe mety misy toerana omena ireo izay miaraka aminy, ka manomboka amin’ny « assistant CST sy CT » izany ary mety ho tonga hatramin’ny ministra sy ny kabinetran’ny ministera, satria tsy maintsy hapetraka ny governemantan’ny firaisam-pirenena atsy ho atsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.