Politique

Edouard Tsarahame Mitaky ny hamoahan’i Frantsa ny ‘Grand dossier 1947”


  • Alakamisy 24 Jona 2010

Fanintelony izao no nofaohin’ny Emmo-Reg ny fanamafisam-peo ampiasain’ny ankolafy Madagasikara.

Ary in-droa nisesy ny tompon’izany no voatana am-ponja raha nikasa haka ny fitaovany. Farany teo, ny talata 22 jona, rehefa lasa iny avokoa ny olona avy nanatrika ny fihaonana fampitam-baovao mahazatra ny ankolafy telo tao amin’ny Magro Behoririka, dia nisy andian’olona niaraka tamina fiara nibahana ilay fiara nitondra ireo fitaovana ka dia lasan’izy ireo izany. Nofaohan’izy ireo avy hatrany ny fitaovana. Hatry ny omaly dia mégaphone indray no hifandraisana eny an-kianja. Na dia eo aza izany dia tsy sakana ho an’ireo mpitolona izany. Na inona na inona hataony, hoy i Leriva Manahira, solombavambahoaka TIM voafidy tao Brickaville dia “tsy maintsy mandresy isika. Tsy hihemotra raha tsy efa midaraboka io fitondrana io”. Ny firaisankina, hoy izy no atao mahery. Tetsy andanin’izany dia nitaky ny hamoahan’i Frantsa ny ‘grand dossier 1947” ny pastera Edouard Tsarahame, hamoahana ny lisitr’ireo maty rehetra satria ny Frantsay no tompon’andraikitra tamin’ireny ary mbola tompon’andraikitra hatramin’izao. Araka ny fanazavan’ity pastera avy amin’ny ankolafy Zafy ity dia angatahana onitra izany. Raha ny nambaran’ny pastera Edouard ihany dia hanao tatitra amin’ny vahoaka ireo delegasion’ny ankolafy telo nanao fitsidiham-paritany tany amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny amin’ity anio ity. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT