Politique

Edgard Razafindravahy Nanao valin-kafatra


  • Alarobia 13 Jolay 2011

Niala tamin’ny fahanginany i Edgard Razafindravahy ary nanao valin-kafatra manoloana ireo resabe niely an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery, nandritra ny fotoana tsy nahateto an-toerana azy, fa tsy voaloany ny vola nividianany ny orinasa SITRAM sy ECOPRIM, ka nitondran’ny ambara fa mpitantana vaovao, nanankinan’ny mpandova an’i Herizo Razafimahaleo ireo orinasa ireo, ny raharaha eny amin’ny Fitsarana amin’izao fotoana izao.

 Fandaharana manokana nandritra ny ora iray tao amin’ny Radio Antsiva, ny alin’ny talata 12 jolay, no nitondran’i Edgard Razafindravahy, fanazavana antsipirihany narahina porofo an-taratasy ny maha azy madiodio ireo orinasa ireo. «Tsy hisalovana ny asan’ny Fitsarana aho, saingy efa tafahoatra loatra ny filazana diso sy ny fampifandraisana ny raharaha amin’ny toe-javatra hafa», hoy izy. Notsiahiviny fa noho ny toe-draharaha nitranga teto amin’ny firenena tamin’ny 2002, dia orinasa maro no tra-pahasahiranana vokatry ny krizy, ka anisan’izany ny SITRAM sy ECOPRIM. Tamin’izany no niantsoan’i Herizo Razafimahaleo azy hivarotana ireo orinasa ireo. «Orinasa nibaby trosa ireo, tamin’ny fotoana nifampivarotana, ary izaho no tompon’andraikitra tamin’ny famerenana ny trosa nobaben’ny orinasa», hoy Razafindravahy. Nisy fifanarahana an-tsoratra mazava mikasika izany fifampivarotana izany ny 27 mey 2002, izay azo hamarinina, hoy izy. Hentitra i Edgard Razafindravahy nilaza fa tsy misy olona na orinasa afaka mangataka azy hiala amin’ny fitantanana ny orinasa. Ny mety ho indro kely, izay mahalasa fisainana azy, dia nisy fahatarana tamin’ny fandraketana ny fifampivarotana tao amin’ny Régistre du Commerce, izay anjaran’ireo mpivarotra no nanatanteraka azy, araka ny fanazavany. Ary izay no heveriny fa hararaotin’ireto olona ireto, ka «anaovany izao fanalam-baraka izao», araka ny fahitan’i Edgard Razafindravahy azy. "Tsy io fahatarana io no ahafahana milaza fa izy ireo no tompon’ny orinasa”, hoy izy.

Rehefa izay dia nampahatsiahy i Edgard Razafindravahy fa voalazan’ny andininy faha-14 ao amin’ny fifanarahana fifampivarotana ny tokony hatao raha misy fifanolanana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Misy mpanelanelana, Gérald Cattin, efa nifaneken’ny roa tonta natao handamina izany, hoy i Edgard Razafindravahy. Koa aminy dia “tsy fanajana ankitsirano ny zavatra nosoniavina ary fanalam-baraka ny zavatra mihoatra an’izay”, toy ny fitondrana ny raharaha eny amin’ny tribonaly ankehitriny. Nambarany fa nanomboka ny 18 jolay 2002 ny fandoavam-bola mikasika io fifampivarotana io ary nifarana ny aprily 2007. Taorian’izay dia nisy ny “baiko nomen’i Herizo Razafimahaleo ilay mpanelanelana hamita ny fandraketana an-tsoratra any amin’ny Régistre du Commerce ny famindrana ny orinasa amin’ny anaran’i Edgard Razafindravahy.

Koa mametra-panotaniana ity farany, fa naninona no tsy fahavelon’i Herizo Razafimahaleo no natao ny fitakiana raha nisy vola tsy voaloa, fa eny amin’ny haino aman-jery no entina ankehitriny ? Nambarany koa fa nandritra ny sivy taona mahery, hatramin’ny fotoana nanaovana sonia ny fifanarahana fifampivarotana, dia tsy mbola naharay taratasy fitarainana, na avy amin’ny mpanelanelana na avy amin’ny olona hafa, na fanakianana, na fitsipahana, na fanamarihana fa misy vola tsy voaloa ny tenany. Mikasika ny hoe fiantsoana fivoriambe tsy ara-potoana tamin’ny aprily 2011 nanendrena mpitantana vaovao ny SITRAM sy ECOPRIM, dia hentitra ny tenin’i Edgard Razafindravahy, fa “tsy ara-dalàna izany !”. Ary raha nisy aza izany, maninona izy no tsy nantsoina akory fa hisy fivoriana ? Na eo aza anefa izany dia nilaza i Edgard Razafindravahy fa matoky ny lalàna sy ny fitsarana izy, ka an-dry zareo no mijery akaiky izao raharaha izao.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT