Politique

Edgard Razafindravahy Ho kandida Ben’ny tanŕnan’Antananarivo ?


  • Talata 19 Oktobra 2010

Na dia tsy mbola nanao fanambarana ofisialy momba ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana Ben’ny tanŕna aza ny Pds Edgar Razafindravahy dia hita soritra amin’ny fihetsiny tato anatin’ny herinandro vitsy izao ny faniriany hitondra ny tanŕnan’Antananarivo mandritra ny efa-taona.

Mihetsiketsika mafy mihitsy ny tenany mitety Fokontany, mampanantena fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka ankoatra ny fizarana fanomezana isan-karazany. Raha tamin’iny herinandro lasa iny fotsiny no resahana dia nahagaga ny maro ny fahitana azy nidina teny Antetezan’i Bekiraro nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny fanasana tanana amin’ny savony. Teo koa ny fanolorany vatsy miampy fahitalavitra ho an’ny foibe natokana ho an’ny Zokiolona eny Ankadindramamy. Amin’ny maha tomponandraikitra vonjimaika ny tanànan’Antananarivo an’ingahy Pds dia tsy tokony hahazendana raha mitsidika ny vahoaka tantaniny izy saingy tao anatin’izay herintaona mahery izay anefa dia fotoana vitsy monja no ahitana azy mirotsaka an-tsehatra mivantana eny anivon’ny fiarahamonina fa na ny talen’ny kabinetrany, ny kaomisera Rabearisoa Alexandre na ny Sekretera jeneralin’ny kaominina, Rasamimanana Olga na koa ny mpanolotsainy manokana, ramatoa Raharinosy Monique no misolo tena azy amin’ireo lanonana goavana sy tetikasa isan-tsokajiny misy ifandraisany amin’ny kaominina.

Ankoatra izay dia efa mandeha ihany koa ny fampielezan-kevitra ankolaka toy ny fampanantenana hamerina ny tsenan’Anjoma mba hanintonana ny fon’ireo mpivarotra amoron-dalana izay ela niaretana ny didiko fe lehibe ataon’ireo polisin’ny tsena. Misarika ny saina koa ny fiandrasana fotoana amin’ny fitokanana ny tsena vaovao misy rihana ao amin’ny Petite Vitesse. Tsena izay efa vita ara-dalàna misy jiro sy rano hatramin’ny volana martsa teo. Mety misy kajikajy politika avokoa ao ambadik’izany ka andrasana fotoana manakaiky ny fifidianana vao hosokafana ilay fotodrafitrasa. Iaraha-mahita eto izay zavatra hitranga. Tsiahivina fa ny 02 novambra izao no hisokatra ny fametrahana ny taratatsy filatsahan-kofidiana ben’ny tanàna izay mifarana ny 16 novambra.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT