Politique

Edgar Razafindravahy «Voahoso-potaka aho sy ny fianakaviako»


  • Talata 12 Jolay 2011

Tafaverina an-tanindrazana omaly rehefa avy nivahiny tany Frantsa nandritra ny herinandro teo ho eo ny PDS-n’Antananarivo Renivohitra Edgar Razafindravahy.

 Anton-diany tany moa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny RIF na Région île de France izay efa mpanohana ny CUA hatry ny ela. Azo ambara fa nody ventiny ny rano nantsakaina satria misy ny famatsiam-bola mitentina 500 tapitrisa ariary azon’ny CUA avy amin’ny RIF hanamboaran-dalana eto an-drenivohitra ary misy ihany koa ny fanampiana hafa hanarenana indry ny dobo filomanosana eo Ankadifotsy sy ny tranon’ny Kaominina eny Andohalo. Nanamafy ingahy PDS fa tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hahamendrika ny renivohitra izy sy ny mpiara-miasa aminy ka izay no anton’izao fivoahana tany Frantsa izao. Mbola hisy ihany koa moa ireo fiara fitateram-bahoaka vaovao mahazaka mpandeha hatramin’ny 40 voalaza fa hampiasaina amin’ireo «ligne pilote» ary dia miandry fatratra ny fanatanterahana izany tetikasa izany ny maro satria voalaza fa efa nahita ireo fiara ireo tany ivelany ny Kaominina.

Fa mikasika ny raharaha mampifanolana azy amin’ny fianakavian’i Tompokolahy Herizo Razafimahaleo noho ny orinasa Sitram sy Ecoprim kosa dia nambarany fa «misy fitsarana eto ka aleo izy ireo hanao ny asany mba hahafantarana ny tena marina». «Nahatsiaro tena fa voahoso-potaka kosa anefa aho sy ny fianakaviako», hoy Atoa Edgar Razafindravahy noho ny resabe nataona onjampeo tsy miankina iray teto an-drenivohitra momba anay. Tokony hotsaroana fa tsy izaho irery no mitondra io anarana Razafindravahy io fa olona maro, hoy izy nanohy ny fanazavany. Tsy nilaza mazava kosa anefa izy na hitory na tsia ilay onjampeo noho ny fanalam-baraka nihatra taminy. Dia tena lasa resabe mihitsy moa ity raharaha ity ary maro aza no mieritreritra fa mety misy ambadika politika mihitsy ilay izy, na tsy mbola misy fa mety hosoavalian’ny mpanao politika sasany satria misy ireo olona ambony ao amin’ny FAT tsy mankasitraka mihitsy an’Atoa PDS ka mitady ny fomba rehetra haminganana sy hanosoram-potaka azy. Manara-maso akaiky ny mety ho fivoaran’ity raharaha mampifanolana ny PDS sy ny fianakaviana Razafimahaleo ity ny mpanara-baovao ary miandry ny mety ho didy avoaky ny fitsarana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT