Mandeha be ankehitriny ny resaka fa dia marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny ministry ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo sy ny filohan’ny delegasiona manokana na PDS-n’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, Edgar Razafindravaha.
Vao mainka vaky ambatolampy izany ao anatin’ity tetikasa fanitarana ny lalana eny Ankorondrano iny, sy ilay fanorenana tranobe misy rihana telopolo mahery fananana Karana, Sipromad izay vondron’orinasa tompon’ilay fiaramanidina manokana mpitondra an’i Andry Rajoelina amin’ny dia ataony eto an-toerana sy mankany ivelany any. Araka ny fantatra mantsy dia toa rano dikain’ny zinga, tsy mahafantatra na mba nanan-kevitra akory ny amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe ireo ny teo anivon’ny fiadidiana ny Kaominina, fa efa eny ambony gazety sy amin’ny haino aman-jery vao samy mahalala ny rehetra. Araka ny fantatra dia voaresaka nandritra ny fihaonan’ireo Ben’ny tanàna ambonivohitra novorian’ny AGETIPA miaraka tamin’ny AFD (Masoivoho frantsay momba ny fampandrosoana) tao Mahajanga ny 19 ka hatramin’ny 21 jolay mihitsy io resaka io. Amin’ny maha tetikasa lehibe toy ireny tokoa mantsy dia misy ny rafitra mpankato sy mpanapa-kevitra, dia ny Filankevitry ny tanàna, izay solontenam-bahoaka satria olom-boafidy no mandrafitra azy. Tsy nisy anefa izany araka ny fantatra. Raha nitarika fikomiana teto Antananarivo anefa ny mpitondra FAT amin’izao fotoana, herintaona sy tapany lasa izay, dia anisan’ny novoizina tamin’izany ny sata manokan’Antananarivo amin’ny maha renivohi-pirenena azy. Mijanona ho am-bava avokoa anefa izany, fa mandrak’ity ny anio ny eo ihany no eo. Tsikaritra ihany izany, ary efa nisy fotoana aza nandrenesana ny fanamarihana nataon’i Edgar Razafindravaha, tamin’ny fiandohan’ny taona 2010 raha niroso tamin’ny fanadiovana ireo mpivarotra amoron-dalana ny CUA ny amin’ny hoe : fahefany sa tsia ny manao «réquisition» ny mpitandro ny filaminana, ankoatra ny polisy monisipaly, hanome tanana ny kaominina amin’ny fotoana mahamay. Araka ny fantatra dia anisan’ny fototry ny disadisa ihany koa ny amin’ny volana fanampiana (subvention) fanomen’ny fanjakana ny Kaominina isan-taona, satria dia mihisatra ny fahazoana azy io.
Ankoatra izay koa ny fanamboarana ny Lapan’ny tanàna. Raha ny lojika mantsy dia fananan’ny Kaominina io, ary tompomarika amin’ny fanatanterahana azy ny fiadidiana ny tanàna. Araka ny fantatra anefa dia voamarika ao anatin’ny tetibolan’ny kaominina taona 2010 ny amin’io raha tsy nisy an’izany teo aloha, saingy tsy mikirakira ny vola ny kaominina izay ambara moa fa avy any amin’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Tsy ampy herintaona monja toarian’ny nanendrena an’i Edgar Razafindravaha ho PDS-n’Antananarivo no mitranga izany rehetra izany. Ny 07 aogositra 2009, raha iny mbola mikaon-doha tany Maputo I ny ankolafy efatra, no nanendrena azy ho amin’io toerana io, nasolo an’i Michèle Ratsivalaka, fanendrena nomanina tao amin’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Tao amin’ny Hetsika Avaradrano no nahafantarana an’i Hajo Andrianainarivelo sy Edgar Razafindravaha. Efa Ben’ny tanàna tao Ankadinandriana, taom-piasana telo nisesy, itsy voalohany, raha izao kosa ny faharoa vao nitantana tanàna. Samy olona manana fifandraisana akaiky an’i Andry Rajoelina koa izy ireo. Asa anefa na fifanandrifian-javatra ihany na misy ifandraisany mihitsy, fa mifanojo tamin’ny fotoana manomboka iresahana fifidianana filoham-pirenena no mamparisarisa ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta ity. Sa samy ho kandida ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.