Miditra amin’ny herinandro farany ny atrikasa fandinihana ilay paikady fampiharana voarakitra ao anatin’ny politika ankapobeny fanavaozana ny filaminana nanomboka ny 29 aogositra 2016 teo.
Zava-dehibe ao anatin’io drafi-pilaminana nandaniana 2 taona maninjitra io moa ny fampandraisana andraikitra ireo mpisehatra toy ny tafika, ny polisy, ny zandary, ny sampandraharaha fikaroham-baovao, ny Fitsarana, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny parlemanta ary ny sehatra tsy miankina hiverenan’ny fifampitokisana amin’ny vahoaka. Andrasana kosa ireo tetikasa mivaingana hisian’ny fitoniana ara-politika, ny lamina sosialy ary ny fitsinjarana zaramira ireo harem-pirenena voajanahary. Nanampy ny governemanta Malagasy nanao ny tomban’ezaka momba ny tontolon’ny fandriampahalemana moa ireo fikambanana iraisam-pirenena mpiara-miombon’antoka ahitana ny Vondrona Afrikanina, ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Eoropeanina, ny Vondrom-pifanakalozam-barotra eto amin’ny faritra Afrika Atsimo (SADC), ny Fikambanan’ireo firenena miteny frantsay (OIF) ary ny tambajotra afrikanina misahana ny filaminana (ASSN) ny volana oktobra 2014. Nitsangana kosa ny komity nasionaly teknika mpandinika ny fomba tsara indrindra hampandriana fahalemana eto Madagasikara ny fiandohan’ny taona 2015.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.