Politique

Dr Vanovason Jean Adrien “Tsy matahotra ny fiverenan-dRavalomanana izany izahay !”


  • Alakamisy 16 Jona 2011

Mandeha ny resaka fa anisan’ireo tena matahotra ny hiverenan-dRavalomanana Marc an-tanindrazana ireo nisintaka tamin’ny Tiako I Madagasikara foibe noforoniny dia ny elatra Raharinaivo Andrianatoandro sy ny elatra Yves Aimé Rakotoarison izany.

Namaly mazava, ny Kestora faharoa ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, ny Dr Vanovason Jean Adrien fa : tsy matahotra ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana izany izahay ary tsy mampaninona anay izay fandaminana atao na lazaina aza fa ho soloina vaovao avokoa ireo CT TIM efa am-perinasa. Raha izay no hitan’ny rehetra fa hampivaha ny krizy dia ekenay. Izaha mantsy hatreto tsy nieritreritra hoe namadika an’iza na namadika an’i zovy fa ny hamahana ny krizy no nalehanay aty. Ny anay dia tsy miova, hoy ity Kestora II eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity, izahay dia mijanona foana amin’ny sori-dalana nataon’ny rehetra rangopohy teny Ivato farany teo. Tsy misakana ny fiverenan-dRavalomanana izahay araka izany fa efa voasoratra ao anatin’io sori-dalana io ny fepetra afahana manao izany (mitovy amin’ny fepetra tany Maputo). Ny hiverina izao dia izao kosa anefa dia heverina fa tsy mbola mety fa mbola mafana ny fery». Tena mampivadi-dela tokoa ny fisotroana ranona tetezamita FAT eny Tsimbazaza eny â ! Tsy toy izany ny heno teny an-kianjan’ny Magro fahiny !

 

Manohy

 

SARY : Dr Vanovason Jean Adrien, TIM Raharinaivo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT