Politique

Dr Simao Leonardo (SADC) Nanamafy fa ho avy eto i Chissano


  • Zoma 09 Jolay 2010

Anjaran’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Alliance de la société civile omaly no nihaona tamin’ireo iraka avy amin’ny Sadc manao fankan-kevitra sy fanaraha-maso momba ny toe-draharaha politika eto amintsika.

Nohazavainay tamin’ireo vahiny fa mikatsaka fitadiavam-bahaolana hamahana ny krizy no antony ijoroanay fa tsy sanatria akory ampiasain’ny ankolafy iray na itsabahan’ny FAT ny asa sahaninay. Nampahafantarina azy ireo koa fa tsy raharahan’ny ankolafy efatra samirery izy ity fa an’ny Malagasy iray manontolo”, hoy ny pastora Ramino Paul nitatitra ny fihaonana. Nambarany koa fa tsy miandrandra ny fankatoavan’ny Sadc ny Raiamandreny Mijoro sy Alliance de la société civile manoloana ny fanelanelanana sahaniny saingy mangataka ny fanampiany kosa. Nohamafisin’i Velompanahy Aristide indray fa tsy manakana ny firosoana amin’ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena akory iny fihaonana omaly iny. Araka izany dia tazonina avokoa ireo tetiandro efa novolavolaina. “Ny fampihaonana ny ankolafy efatra no tanjonay mba ahafahana mampiray latabatra azy ireo mandritra ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena ary tsy tapaka mihitsy ny fandresen-dahatra ataonay ahatongavana amin’izany”.

Ny dokotera Simao Leonardo izay nitarika ny delagasion’ny Sadc kosa dia nanambara fa mifarana hatreo ny asan’izy ireo izay nihanona tamin’ny fihainoana ny hevitry ny ankolafy politika sy ireo fiarahamonim-pirenena isan-tsokajiny. Raha ny fanazavany dia samy mankato ny fikatsahana vahaolana politika eo ambany fanelanelanan’ny fiarahamonim-pirenena avokoa ireo mpifanandrina ara-politika ankehitriny. Mankasitraka sady manohana rehefa vahaolana aroson’ny Malagasy rahateo ny Sadc, hoy izy raha ifanarahan’ny rehetra izany. Nomarihiny kosa anefa fa tsy afaka hiteny izy na mivalona hatreo ny satan’i Maputo sy Addis Abeba na tsia satria ny Malagasy no niara-namolavola iny fifanarahana iny fa nanampy tamin’ny fampiharana azy fotsiny ny mpanelanelana iraisam-pirenena. Hanao tatitra ny iraka nataony amin’i Joaquim Chissano izy ireo. Andrasana eto an-toerana ny fahatongavan’ity farany afaka herinandro mahery eo ho eo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT