Politique

Dr Randriamiarisoa Joseph Mila havaozina ny fanaovana politika


  • Alarobia 26 Jolay 2017

Heno sy ventesina eny anivon’ny fiarahamonina Malagasy isan’andro ny demokrasia, ny fanjakana tsara tantana, ny tany tan-dalàna na koa ny maro an’isa parlemantera.

Aotra kosa anefa ny fanatanterahantsika azy ireny, hoy ny dokotera Randriamiarisoa Joseph. Mijanona ho resabe fotsiny rahateo ireo voambolana voizina momba ny fitantanana firenena eto Madagasikara. Tsy mahagaga loatra izany satria tsy ao anatin’ny kolontsaina Malagasy mihitsy ary tsy mahazatra antsika ireo karazana fifampifehezana nalain-tahaka avy ny ivelany ireo. Tsy voafehin’ny mpitondra nampindramin’ny vahoaka fahefana sy ny mpanao politika Malagasy amin’ny ankapobeny moa ny fampiharana azy ireo eto amin’ny firenena. Tsy misy fanjakana eto Madagasikara satria tsy manana finiavana amin’ny fametrahana izany ny mpitondra mahefa sy ireo andian’olona mikasa hitantana ny firenena. Miroborobo loatra ihany koa ireo fitsanganana antoko ka ilaina ny fanavaozana ifotony ny fanaovana politika, araka ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Tontolo iainana teo aloha.

Nangonin-dRamano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT