“Stratejia politika aloha ny zava-misy amin’ny fandinihako azy manokana, nefa fanapahana feno fahendrena sy fandraisana andraikitra ary tena raiamandreny marina iny fanapahana noraisin’Atoa Marc Ravalomanana iny. Nefa na ho inona no ambaran’Atoa Rajoelina eo dia tokony haiky sy hilaza mazava izy sy ny mpiara-dia taminy, fa nanongam-panjakana izy ireo no tonga amin’izao fitondrana ny firenena sy nahatonga izao krizy nanimba ny fiainam-pirenena izao”. Izay no nambaran’ny Dr Rakotomalala Harry mikasika ny raharaha ara-politika misy eto amintsika ankehitriny sy taorian’ny fanambaran’Atoa Ravalomanana iny. Nohamafisiny fa “izy samy niara-nanao ny fanoganam-panjakana ihany no mamoaka ny marina amin’ny vahoaka telo taona aty aoriana. Ka raha mihevitra ny hirotsaka hofidiana ny mpanongam-panjakana dia tsy adala ny vahoaka ka hifidy ny olona nitondrany fahoriana”.
“Tsara ny hopitaly manara-penitra vita, tsara ny kianja manara-penitra natolotra; nefa raha mbola tsy mahavidy ny sakafony ny Malagasy, miaina ao anatin’izao fahantrana lalina izao ny ankabezan’ny vahoaka, zara raha mihanana ny fianakaviana maro, tsy hitako izay idedahana amin’ireo foto-drafitrasa vita”, hoy hatrany ity mpitsabo ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.