Politique

Dr Manoro Régis «Sarotra aminay ny hanaiky an’io»


  • Alarobia 29 Jona 2011


 Raha mangina tsy maneho hevitra amin’ny fanambarana etsy sy eroa ataon’ny Dr Leonardo Simao, mikasika ny fanitsiana ny tondrozotra ny ankolafy Ratsiraka sy Ravalomanana dia milaza kosa ny Dr Manoro Régis, mpitondra tenin’ny Ankolafy Zafy Albert, raha naneho hevitra tamina radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra fa sarotra amin’izy ireo ny manaiky an’iny sori-dalana iny. Misy rahateo ireo teboka tsy mazava, araka ny fanazavany, toy ny amin’ny fanavaozana ny andrim-panjakana, ny amin’ny Praiminisitra. Ny Ankolafy Zafy Albert, araka ny fanazavany ihany, dia manamafy ny fotokevitra nijoroany hatramin’izay, dia ny fampihavanam-pirenena, ka takianay, hoy ny Dr Manoro Régis ny famoahana ny gadra politika sy ny famelana ireo sesitany politika rehetra hiverina an-tanindrazana.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT