Nahemotra amin’ny tapany faharoa amin’ny volana janoary 2013 indray ny fahatongavan’ireo iraky ny SADC tarihan’ny Dr Leonardo Simao, raha tokony ho tonga teto Antananarivo omaly.
Tsy mila fanazavana misimisy kokoa ny amin’iny, fa tonga dia mahatakatra ny rehetra fa misy ifandraisany amin’ny zava-nitranga tany Dar es Salaam sy ny dian’i Andry Rajoelina any Frantsa ilay izy. Tena mivandravandra eto fa mifampiankina avokoa ny zava-drehetra, ary ao ambadiky ny famahana ny krizy i Lafrantsa, ary tena manana ny ambarany momba ny dingana rehetra arahana. Raha ny tokony ho izy dia herinandro taorian’ilay fivoriana tsy ara-potoan’ny filoham-panjakan’ny SADC tany Dar es Salaam dia efa natao ny fanazavana fanampiny nentin’ireo iraka manokana, na fara fahatarany dia natao taorian’ny fihaonan’ny filoha Tanzaniana tamin’Atoa isany Ravalomanana sy Rajoelina izany. Saingy tsy izay no nitranga fa dia nitatra toa sima misioka ny raharaha ary izao tsy maintsy hiandry amin’ny volana janoary 2013 indray izany fa dia samy hifety kely aloha.
Midika izany fa tsy mbola tafapetraka eto ny fitoniana, kanefa isisihana tsy maintsy hatao amin’ny 8 mey 2013 ihany ny fifidianana. Raha tsy hoe misy fiovana tampoka dia tampoka izany, dia tsy hisy SADC ho avy eto Madagasikara intsony aloha amin’ity taona ity fa dia miantona ny toe-draharaha. Tsy fantatra izay tena marina, fa samy manana ny fandikany ilay fehin-kevitra ny ankolafy tsirairay avy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.