Politique

Dr Julien ankolafy Zafy Albert Mangata-bavaka amin’ny mpitolon’i Magro


  • Zoma 05 Aogositra 2011


 Manoloana ny takoritsika etsy sy eroa mahakasika ny fahasalaman’ny mpitari-tolona Dr Julien avy amin’ny ankolafy Zafy Albert izay mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly ankehitriny dia nitondra fanazavana misimisy kokoa tetsy amin’ny Kianjan’i Magro Behoririka indray omaly ny Pasitera Edouard sy i Camille Mektoub. Mbola miresaka tsara i Dr Julien, hoy izy ireo, toy ny hoe salama ny fijery azy ivelany nefa dia tena reraka ny lehilahy ary fitazomana aina no atao aminy araka ny filazan’ny dokotera mpitsabo azy.

Tsy maintsy lazaina ny marina, hoy ireto mpitari-tolona ireto. Nisaotra ny mpitolona amin’ny fifanomezan-tanana natolotr’izy ireo azy ny Dr Julien ary nangata-bavaka amin’ireo mpiara-mitolona etsy amin’ny Magro ireo fa tsy misy zavatra tsy vitan’Andriamanitra. Hiala ao amin’ny hopitaly anio i Dr Julien ary andeha ho any Farafangana tanindrazany araka ny fanapahan-kevitry ny fianakaviana sy ny dokotera mpitsabo. Efa an-dalana (ao Fianarantsoa) hamonjy azy ny vady aman-janany avy any Betroka. Marihina fa ambetin-kafatr’ity mpitari-tolona ity nandritra izao tsy fahasalamany izao ny hoe : “tohizo hatramin’ny farany ny tolona !” ary efa nampitaina im-betsaka tetsy Behoririka.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT