Politique

Dr Joseph Randriamindrisoa “Dridraningilo ny an’i Andry Rajoelina”


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Tsy nandray sady tsy handray anjara amin’ny Dinika Santatra ny Hery Politika Mitambatra satria tsy iraisan’ny rehetra ny fanomanana sy ny fanatontosana azy. Mihevitra ny Dr Randriamiandrisoa izay anisan’ny mpikambana ao amin’ny HPM fa tsy hahavaha olana ireo mpizaika amin’ny Dinika Santatra.

Mahafeno ny fepetra takian’ity vondrona antoko miaradia amin’ny profesora Zafy ity kosa anefa ny fikaonandoham-pirenena satria iarahan’ireo vondrona fiarahamonim-pirenena telo goavana mikarakara izany amin’ny alalan’ilay rafitra natsangany antsoina hoe CNOSC. «Fepetra roa no notakianay dia ny fiarahan’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny handraisany an-tanana ny fanelanelanana amin’izao krizy izao» raha ny fanazavan’ny dokotera Joseph hatrany. Ho an’ny HPM dia ny fametrahana ny rafitra itantanana ny tetezamita iarahana no mahamaika ka atao lahadinika mandritra ny fikaonandoham-pirenena. Namaly ny kabarin’i Andry Rajoelina farany teo izay milaza fa tsy ilaina intsony ny fananganana tetezamita faharoa koa ity mpikambana ao amin’ny HPM ity. Nambarany fa nanao drindraningilo hatrany ny filohan’ny FAT hatramin’ny naha teo amin’ny fitantanana ny firenena azy kanefa tsy mahavita azy akory.

«Ny zava-dehibe dia ny fisian’ny rafitra ara-dalàna itondrana ny tena tetezamita na fifanarahana politika no iantsoana azy na sata ihany koa. Tsy mety raha amin’ny alalan’ny didy hitsivolana no hitantanana ny firenena toy izay nataon’i Andry Rajoelina iray taona mahery izao», hoy ihany izy. Momba ny fijoroan’ny «Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika» dia notsipihany fa manamora ny fifampidinihana ny fiarahan’ny antoko politika maromaro mampitovy tandin-dokanga toy ireny satria tsy ho vita ny hiady hevitra amin’ny antoko 190 mahery. Aminy dia ireo ankolafy politika efatra (Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy, Rajoelina) sy ity vondrona antoko faha-5 ity no tokony handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena mba tsy hisy voailika ny hery rehetra eto amin’ny firenena. Amin’ity anio alakamisy ity moa no hanatanteraka fihaonana handinihana ny daty hihaonany amin’ny vahoakan’i Fianarantsoa sy Toliara ary ny faritra Atsimo Atsinanana rehetra ny ankolafy 3. Etsy andanin’izany dia Maniry ny hatongavan’ny ankolafy telo ihany koa ny vahoakan’i Moramanga (Mangoro), ary efa miomana fatratra amin’izany ny mpitarika any an-toerana. 

Légende : Ny Dr Randriamiandrisoa, mpikambana ao amin’ny HP.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT