Politique

Dr Joseph Randriamiarisoa Fampisaraham-bazana ny Malagasy no ataon’ny FAT


  • Talata 12 Oktobra 2010

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny resaka fifidianana. Ho an’ny Dr Joseph Randriamiarisoa avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert ohatra, dia tena hampizara ny Malagasy io fitsapan-kevi-bahoaka hametrahana fanontaniana ENY na TSIA amin’ny 17 novambra io.

Fampisaraham-bazana ny samy Malagasy io ary tena mitovy tamin’ilay politikan’ny zarazarao hanjakana napetrak’i Gallieni teto, raha ny fandraisana ny fanehoan-kevitr’ity mpiara-dia amin’ny Profesora Zafy Albert ity. Fanapotehana ny tolona nitakiana ny fanovana no ataon’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana izao, hoy izy satria mbola ny lalàmpanorenan’ny amiraly Ratsiraka tamin’ny Repoblika Faharoa ihany no navadibadika sy nanesorana ary nampidirana fehezanteny fa tsy misy ny tena zava-baovao. Noho izany indrindra dia tsy misy ilana ny fanaovana ny fifidianana amin’ny 17 novambra mihitsy satria olana hafa no haterak’izany fa tsy hamaha ny krizy mihitsy.

Momba ny fidiran’ny vahiny amin’ny famahana ny krizy kosa dia nambaran’ny Dr Joseph fa mpikambana feno eo amin’ny ONU sy ny Vondrona Afrikanina ary ny SADC i Madagasikara, ka rariny loatra raha manara-maso ny fizotry ny raharaha politika eto ny sehatra iraisam-pirenena, ary mitondra ny soso-keviny sy ny fanampiany. Tsara ny fisian’ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy, saingy tsy maintsy ampifanarahana amin’ny vahaolana eken’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny famerenana ny ara-dalàna izany. Hita ho efa manomboka resy lahatra amin’izany ny besinimaro, hoy ny Dr Joseph Randriamiarisoa, satria na ny Raiamandreny Mijoro aza dia efa manaiky ny hiara-hiasa amin’ny CNOSC ho fanomanana sahady ilay fihaonambe politika atsy ho atsy. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT