Politique

Dr Jean Louis Robinson Tsy mbola tapa-kevitra ho kandida amin’ny 2018


  • Alarobia 05 Aprily 2017

Fanatsarana ny kaominina Ampasikely mba tsy ho mena-mitaha amin’ireo kaominina manerana ny nosy no tena ilofosako, hoy ny dokotera Jean Louis Robinson, raha nanontaniana mahakasika ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2018.

Nambarany fa miandry ny fivoriana izay hotanterahana ireo antoko maromaro mivondrona ho amin’ny fanajana ny fototra maha repoblika  ny Madagasikara ny fanapahan-kevitra mahakasika izay ho kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Tsy maintsy hojerena ny olona mendrika sy vonona hampanjaka ny fahamarinana. Fanavotana ny kaominina Ampasikely sy ny mety ho fanampiana ny kaominina manodidina no hezahako tontosaina amin’izao, hoy ny filoha nasionaly ny antoko AVANA dokotera Jean Louis Robinson. Mbola ho ankamantatra, araka izany, ny filatsahana na tsia ho kandida filoham-pirenena an’ity kandida laharana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2013 ity.

                                              Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT