Politique

Dr Jean Louis Robinson Hapetraka ofisialy ho Ben’ny tanŕna Ampasikely


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Hotanterahina ny zoma 19 aogositra izao ny lanonana hametrahana amin’ny toerany ny Ben’ny tanŕnan’Ampasikely, Distrikan’Amparafaravola an’i Dr Jean Louis Robinson.

Ity filoha nasionalin’ny antoko AVANA ity moa no nambaran’ny fitsarana fa mpandresy tao amin’io kaominina any Alaotra io, rehefa nifandroritana hatramin’ny septambra 2015. Herintaona aty aoriana vao handray asa ofisialy ny Ben’ny tanàna, rehefa nolavin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina ny fangatahana fandravana didy nataon’ny kandida mpifaninana taminy avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, tao amin’ny Kaominina Ampasikely. Vao herinandro lasa izay no nandraisany ofisialy ny fanalahidin’ny biraon’ny kaominina hotantaniny ity. Tsiahivina fa kandida filoham-pirenena, niatrika fihodinana faharoa nifaninana tamin’ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina i Dr Jean Louis Robinson tamin’ny 20 desambra 2013.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT