Politique

Dr Hery Raharisaina “Tsy hijanona ny tolona”


  • Alakamisy 27 Mey 2010


Tsy mitsipaka ny fisiana fihaonambem-pirenena ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka teo aloha Hery Raharisaina. Saingy raha ny FAT kosa no hikarakara azy, dia tsy hahomby izany, hoy izy satria hevitr’ankolafy tokana no hanjaka. «Hevitra efa voaomana no haroso ary dia hanjaka ny fanampenam-bava», hoy izy. Ilaina anefa ny fifampiresahana, hoy ity depioten’i Vohémar teo aloha ity. Araka izany, dia tsy tokony ho ny FAT no mikarakara izany fihaonana izany. Hatreto moa, raha noheverina hatomboka anio izany fihaonana izany, araka izay nolazain’i Andry Rajoelina nandritra ny kabariny ny 12 mey 2010, dia tsy mbola hita mazava izay tena marina. Etsy an-danin’izany dia nambaran’ity mpitari-tolona avy amin’ny firehana Ravalomanana ity fa tsy misy fifandraisany amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny ankolafy misy azy. “Namaly ny antso nataon’ireo mpitondra fivavahana izahay satria mitovy ny tanjona”, hoy ihany i Hery Raharisaina. Momba ny tohin’ny tolon’ny ankolafy telo dia nambarany fa “tsy hijanona ny tolona raha tsy tafapetraka ny fahamarinana, mandra-pilamin’ny firenena”. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT