Politique

Dr Harisson Razafindrakoto Ny fifampiresahan’ny ankolafy ihany no vahaolana


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Manamafy ny Dr Harisson Razafindrakoto, mpandrindra ny Hery Politika Mitambatra (HPM), izay miara-dia amin’ny ankolafy Zafy Albert izay nanana mpandray anjara tamin’ny fifampidinihana teny Vontovorona, fa tokony haato kely mihitsy aloha ny fifampidinihana mba hanitsiana ny fomba fiasa hahafahana mandroso haingana kokoa.

Aminy dia tokony ho ny fifampiresahan’ny samy ankolafy, na ilay antsoina hoe : «approche mouvances» no ampiasaina, fa tsy fifampiresahan’ny samy antoko (approche politique). Notsipihany mazava ihany koa fa tokony hanao fihaonana sy fifandresen-dahatra vaovao, ary hitety ireo ankolafy efa misy, sy ny ankolafy hafa mety hiforona ny avy ao amin’ny CNOSC, izay mikarakara ny fanelanelanana, ka aorian’izay indray vao tanterahana ny fihaonambe eo amin’ny mpanao politika, ao anatin’ny ankolafy tsirairay avy. Ho an’i Harisson Razafindrakoto dia hampikatso ny fifampidinihana hikaroham-bahaolana ny tsy fampiharana io «approche mouvance» io, satria efa io fomba fiasa io no neken’ny rehetra, na ny teto an-toerana izany, na ny tany ivelany.

No sady milamina kokoa, araka ny nambarany ihany ny fomba fiasa rehefa mivondrona ireo antoko politika fa tsy misaratsaraka sy maro an’isa be tahaka ny misy amin’izao fotoana, ka matetika ny ady seza, sy ny fiarovana ny antokony no tena mibahana ao an-tsain’ny mpivory fa tsy dia ny fikarohana vahaolana loatra. Fa ankoatr’izay dia tsikaritra ho manomboka misy disadisa anatiny ihany koa eo anivon’ity HPM ity, noho ny fomba fiasa sy hevitra tsy mitovy angamba. Nisy mantsy ny fanambarana an-taratasy saika navoaka teny amin’ny villa Elizabeth – Ivandry, saingy tsy nanaiky ny hanaovana izany, ary tena hita ho tezitra mihitsy ingahy Ralison Roger, filohan’ny antoko PRM ary mpikambana eo anivon’ny HPM. Nilaza mantsy izy fa tsy mahalala na inona na inona mikasika io fanambarana io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT