Tsy handray anjara amin’ny Dinika Santatra manomboka anio ny Hery Politika Mitambatra (HPM) araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionaliny, Dr Harisson Razafindrakoto.
Nohamafisin’ity farany fa fandaniam-poana ny fanaovana izany satria, azo antoka ety am-piandohana fa tsy hamaha tanteraka ny krizy miantraika lalina amin’ny firenena izany, noho ny tsy fandraisan’anjaran’ireo antoko sy vondrona politika maro izay manana ny maha izy azy eo amin’ny fiainan’ny firenena. Ho an’ny HPM dia tokony hifanaraka tsara aloha ny samy fiarahamonim-pirenena satria hita ho mbola manjavozavo ihany ilay endri-piaraha-miasa misy eo amin’izy ireo. Ny atahorana, hoy i Harisson Razafindrakoto dia ny hiverenan’ny tamin’ny fiandohan’ny krizy tamin’ny herintaona. Niezaka ny nanelanelana mantsy tamin’izany ny fiarahamonim-pirenena saingy toa notsikerain’ny maro ary tsy nahomby ny hetsika, fa toa vao mainka aza nihamafy ny fifandirana politika sy ny krizy. Efa tena lalim-paka loatra mantsy ny olana eto amin’ny firenena araka ny filazany ka tsy azo tsotsorina tahaka ny nataon’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT tamin’ny alahady 25 jolay teo. Manamarika ny Dr Harisson Razafindrakoto fa tena ilaina ny fampihavanam-pirenena satria nisy ady sy korontana ara-tsosialy goavana teto.
Tsy ny olon-droa mifamaly na manao totohondry ihany no mila ampihavanina, hoy izy, fa ny fiarahamonina izay anjakan’ny lonilony sy ny fifandrafiana, tahaka ny misy eto Madagasikara amin’izao fotoana. Tsy tokony hamerina ny fahadisoan’ny fitondrana Ravalomanana izay tsy nety nanao ny fampihavanam-pirenena taorian’ny 2002 ny fitondrana tetezamita, hoy ihany izy satria nisy fangirifiriana teto, nitranga teto ny fidinana an-dalambe izay nitarika ny fanonganana ny fitondrana ; ary mbola mitoetra sy hita taratra any amin’ny sehatra maro ny ady sy fifandrafiana noho ny firehana politika tsy mitovy. Na ao an-tokantrano io, na any am-piasana, na ao anatin’ny foloalindahy, eny fa hatrany am-piangonana aza. Misy ady eto ary misy olana ara-toekarena sy ara-tsosialy goavana ka tokony hifanome tanana ny rehetra amin’ny famahana izany fa tsy atao maimaika tahaka izao Dinika Santatra izao, araka ny hevitry ny HPM. Ny tantaran’ity firenena ity mihitsy no mila ahitsy satria marobe ny fampianaran-diso teto, araka ny filazan’i Harisson Razafindrakoto azy. Rehefa vita izay vao tena hilamina ny fiarahamonina ary hilamina ihany koa ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.