Tazana tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara ao Bel’Air omaly nandritra ny fihaonamben’ny Vehivavy TIM, ny Dr Gervais Rakotomanana Ben’ny tanŕnan’i Toamasina ambonivohitra, nanaovan’ny FAT antsojay ka nosoloina PDS.
Elaela no tsy nisehoany teo amin’ny sehatry ny politika noho ny fanenjehana azy tany Toamasina ka nahavoatery azy nody tany an-tanindrazany tany Vavatenina, araka ny filazany. Noho ny ezaka nataonareo mpiara-mitolona, indrindra ny filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna Guy Maxime Ralaiseheno, izay tonga tamin’io fihaonana io, dia miseho aho, hoy izy. Ka manomboka izao dia hihetsika i Toamasina, hoy ihany ity mpanao politika ity, ary hiseho vahoaka ny Dr Gervais hanamafy ny tolona hampiverenana ny filohantsika Marc Ravalomanana. Hentitra ny teniny nilaza fa ao andamosinareo eto Iarivo i Toamasina raha mbola ny Dr Gervais koa no Dr Gervais.
Hatreto dia tsy nisy niova ny filohan’ny DISTIM any Toamasina nefa tonga ihany koa ny fotoana hanavahana ny vary amin’ny tsiparifary ho an’ireo sasantsasany tsy nahari-boan-kena. Nomarihany fa tsy mbola nanao famindram-pahefana tamin’ny PDS notendren’ny fitondrana FAT ny tenany tamin’ny fotoana nahatongavan’i Camille Vital tany an-toerana satria hatramin’izao dia tsy mbola naharay taratasy mazava fanesorana azy amin’ny toerany izy ka tsy fantatra na fanalana tanteraka tamin’ny toerana na fampiatoana fotsiny ihany no nahazo azy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.