Politique

Dr Elimberaza Mandridake Tsy manaiky hanomezana LP ireo namany voafonja


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Tsy vahaolana mahomby ny fanaovana samirery ny fihaonambem-pirenena ataon’ny fitondrana FAT io, hoy i Elimberaza Mandridake na i Limby. Fomba ataon’ny FAT io, hoy izy mba hamoahana ny volam-bahoka fotsiny.

Raha misy tokoa ny vola, maninona no tsy avantana amin’ny vahoaka sahirana izao, hoy ity mampianatra eny amin’ny oniversiten’i Toliara ity, fa mody atao hoe : hanamboarana ny lalana, hanamboarana hopitaly ? Tsy izany, hoy i Limby no mahamaika ny vahoaka malagasy ary tsy izany no nampanatenaina fa ny tany tondran-dronono aman-tantely. Aiza izy io izao ? Aiza ilay hoe : ho mora ny vary eny an-tsena, ny menaka amin’ny vidiny mora indrindra, ny mofo ho mora. Aiza izy izao ? Aiza ilay force hohanina (Force One) ? Fa zava-doza no mitranga amin’izao : ny Zone Franche potika, simba, mikatona ny sasany, ny mpiasa mipitrapitra mampalahelo, tsy miasa, very asa ny sasany. Ireo, hoy i Limby no tokony hovonjena haingana fa tsy izany fihaonambem-pirenena izany izay karakarain’olom-bitsy sy ny raiamandreny najoron’i Andry Nirina Rajoelina.

Raha nanontaniana momba ireo olona manara-dia azy gadraina ao Toliara izy dia nanambara fa ireny no asan’ny FAT amin’izao : “Manejika isa hamenoana ny fonja”. Gadraina ny mpanao gazety, hoy izy, gadraina ny sivily, gadraina ny miaramila. Saika homen’ny mpitondra FAT LP ireo mpiara-mitolona amiko tanana am-ponja ao Toliara nefa dia lavinay tanteraka izany, hoy ihany i Elimberaza Mandridake. “Rehefa hotsaraina dia omeo fahafahana madiodio fa tsy olona nangalatra izy 7 mianaka”, hoy izy.
Milamin-dratsy ny ao Toliara taorian’ny sakoroka nitranga tao an-toerana ny 27 aogositra 2010. Andaniny dia miparitaka ao an-tanàna ny trakta mamofompofona adim-poko eo amin’ny Tagnalana sy ny Vezo farany teo. Ankilany, misy ihany koa, miainga avy any ivelany any, ny hetsika fanangonan-tsonia ataon’ny namana sy ny fianakavian’ny Dr Elimberaza Mandridake, mivondrona anaty Komity Limby, mitaky ny hahafahan’ity mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo ity hivezivezy malalaka, ary koa hampitsaharana ny fampihorohoroana sy ny fanenjehana mahakasika azy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT