Politique

Dr Elimberaza Mandridake Misy fanangonan-tsonia mitaky fahalalahana ho azy


  • Talata 14 Septambra 2010

Milamin-dratsy ny ao Toliara toarian’ny sakoroka nitranga tany an-toerana ny 27 aogositra 2010. Andaniny dia miparitaka ao an-tanàna ny trakta mamofompofona adim-poko eo amin’ny Tagnalana sy ny Vezo farany teo.

Ankilany, misy ihany koa, miainga avy any ivelany any, ny hetsika fanangonan-tsonia ataon’ny namana sy ny fianakavian’ny Dr Elimberaza Mandridake, mivondrona anaty Komity Limby, mitaky ny hahafahan’ity mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo ity hivezivezy malalaka, ary koa hampitsaharana ny fampihorohoroana sy ny fanenjehana mahakasika azy. “Avelao hivezivezy malalaka ny Dr. Elimberaza Mandridake”, hoy ny taratasin’ity komity ity, nivoaka ny 12 septambra teo, tany Parisy renivohitra Frantsay. Tsiahivin’ny Komity amin’ny taratasy fanentanana fanangonan-tsonia nataony fa “ny ampitso alin’ny fihaonam-bahoaka tamin’ny 27 aogositra 2010 tao Toliara, kianja Marimar, dia nataon’ny andiana miaramila sambo-belona ny Dr. Elimberaza Mandridake, fantatra koa amin’ny anarana hoe Limby. Afa-nandositra avy tamin’ny toerana nitazonana azy i Limby. Voasambotra sy voafonja ny fito amin’ireo anisan’ny nikarakara ny fihaonam-bahoaka tamin’ny zoma 27 aogositra, kianja Marimar tao Toliara : Limby kosa dia mbola karohina”. Mbola ny komity Limby ihany koa no manamarika fa “tsy misy antony nitombina velively ny namafazan’ny miaramila baomba mandatsa-dranomaso tamina mpivory tony fihetsika nomen’ny manampahefàna tany an-toerana alalana hivory”.

Mametra-panontaniana ny Komity manoloana izany : inona no antony hanomezan-tsiny sy hanenjehana an’i Limby nefa nahazo alalana hivory izy ireo mba hilaza ny heviny momba ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy hiantso ny mponina hifanakalo hevitra. “Fanta-bahoaka ny fijoroan’i Limby hatrany araka ny marina sy ny hitsiny, ny tsy fanaikeny ny tsy rariny, ny fitiavan-tanindrazany, ny fikajiany ny fifandraisana ara-piarahamonina. Ary ny nolazainy tao amin’ny fihaonany tamin’ny mpampahalala vaovao teto Antananarivo ny 17 aogositra ihany no naveriny tamin’ity fihaonam-bahoaka tao Toliara ity, dia ny olana mavaivay iainan’ny vahoaka ankehitriny (fahaverezan’ny asa fivelomana, tsy voaaro ny ain’ny tsirairay sy ny fananany, fahalafosan’ny fiainana…), fanairana ny besinimaro ny amin’ny fahalavan’ny tetezamita mihoatra izay tokony ho izy, antso ho amin’ny fijoroan’ny tsirairay amin’ny maha olom-pirenena azy”. Izay no nanaovan’ity Komity Limby ity fitakiana amin’ny fitondrana FAT ny hampitsaharany ny fampihorohoroana sy ny fisambotsamborana, ho amin’ny fahafahan’ny Dr Elimberaza Mandridake mivezivezy sy miteny ary koa ho amin’ny famoahana ireo voafonja noho ity raharaha ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT