Miaina ao anatin’ny fahantrana ny 80%-n’ny Malagasy. Nitombo 500 000 ny zaza Malagasy tsy afaka niditra an-tsekoly.
Efa ao anatin’ny faritra mena amin’ny tsy fanjarian-tsakafo i Madagasikara, ary nanokanana fanampiana maika mihitsy. Nitotongana ny vola azo avy amin’ny fanondranana lamba sy akanjo noho ny fahatapahan’ny AGOA, raha 773 tapitrisa dolara izany tamin’ny 2008, dia efa nihena ho 309 tapitrisa dolara tamin’ny 2011, ary tsy mbola voafidy hahazo ny AGOA indray isika. Nisondrotra efa ho 20% ny vidin-tsolika, niverina ny delestazy amin’ny andro maina, ary mety ho zava-doza izanymandritra ny fahavaratra. Ambonin’ireo dia nitombo ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra, mirongatra ny asan-jiolahy sy ny famonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana ary malaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa mamono vahoaka ny mpitandro filaminana malagasy nandritra ny «Opération Tandroka» tany atsimo.
Tsy mety vita ny grevy sy fitakiana sendikaly, miha ratsy isan-taona ny kalitaon’ny fampianarana. Etsy ankilan’izay dia nahita ny fitondrana tetezamita tarihan-dRajoelina fa ampidirina ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fividianana fiaramanidina Airbus roa avy amin’ny Air
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.