Politique

Donak'afo : Vola tsy mety ritra ?


  • Alatsinainy 21 Janoary 2013

Hita fa tena manomboka miraradraraka tsy mety lany ny fanomezana sy fanamboarana fotodrafitrasa ataon’i Andry Rajoelina.

 Raha ny zavatra hita tany Toamasina ny sabotsy sy ny alahady teo dia tonga amin’ilay fitenenana mihitsy hoe : izay mangataka dia omena. Tahaka ny tena misy loharanom-bola miboiboika ao Ambohitsorohitra ao, na avy any amin’i Andry Rajoelina manokana fa dia tena tsy mety ritra e. Nambara fa avy amin’ilay 100 tapitrisa dolara nomen’ny orinasa sinoa Wisco, mitrandraka vy ao Soalala no nanamboarana ireo foto-drafitrasa tahaka ny hopitaly sy kianja manarapenitra ary ny trano mora.

Mbola avy amin’io vola io ihany koa no nanaovana ireo asa sosialy samihafa iandraiketan’ny fiadidiana ny tetezamita tahaka ny tsena mora, vary mora, ny zoma fanampiana. Ny somary mahalasa fisainana anefa dia mitombo mitombo ihany ireo fampanantenana ataon’i Andry Rajoelina, ary raha araka ny efa nambarany teny Iavoloha tamin’ny 9 janoary 2013 dia volan’ny fanjakana malagasy madiodio no hanamboarana ireo fotodrafitrasa isan-karazany ireo. Fa misy ihany koa ny ampaham-bola izay avy aminy manokana. Manomboka mazava tsara ny resaka fa izao dia efa manomboka ny propagandy hiatrehany ny fifidianana amin’ny 2018 i Andry Rajoelina, ary manana tombony betsaka izy satria afaka mampiasa ny fahefana eo am-pelatanany sy ny volam-panjakana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT