Politique

Donak'afo : Variana


  • Talata 29 Janoary 2013

Mipatitaka samy mandeha samy mitady ny UDR-C taorian’ny nanambaran’i Andry Rajoelina fa tsy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ny tenany.

 Kandida ary nahazo tsodranon’ny birao ny tenako, hoy i Lahiniriko. Tsy niandry ela ny valin-kafatra. Tsy nisy fivoriana niresahana ka nanapahana izany, hoy i Naivo Raholdina (FAFI V) sy Hery Rasoamaromaka (TGV). Etsy andaniny indray dia miezaka mifanatona ireo mpikatroka Arema rehefa nozarazarain’ny fitadiavan-tseza tato anatin’izao tetezamita izao. Inona  no ho paik’adiny satria misy no efa nitonona ho kandida. Tsy eto an-toerana rahateo ny amiraly Ratsiraka, filoha mpanorina. Manao tazan-davitra kosa etsy ankilany ny ankolafy Ravalomanana.

Mazava ny teniny fa dia miandry ny fahatongavan’ity farany higadona eto Madagasikara vao hanendry izay ho kandidany izy ireo, satria efa nilaza fa tsy ho kandida Atoa Marc Ravalomanana. Mandritra izany rehetra izany dia very fanahy toa voalala voatango ny Malagasy, indrindra manoloana ny fitsabatsabahan’ny vahiny amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara nefa ny mpanao politika Malagasy toa variana amin’ny adilahy politika.

Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT