Politique

Donak'afo : Tsy mahay mifandamina


  • Alakamisy 24 Janoary 2013

Tahaka ny manomboka hafahafa indray ny fifandraisan’ny minisitry atitany Florent Rakotoarisoa sy ny minisitry ny vola Hery Rajaonarimampianina.

 Asa na tsy fitovian’ny fomba fijery na fahasamihafan’ny fomba fiasa sy ny laharampahamehana fa dia lasa olana eo amin’ny roa tonta ny fanaovana ilay «Opération kara-panondrom-pirenena». Olona efa ho 1 tapitrisa voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy no tsy mbola manana kara-panondro ka tsy maintsy misy ny hetsika manokana atao momba izany. Asa be io ary mitaky vola be. Teo no nipoitra ny olana satria tahaka ny manome tsiny ny minisitry ny vola, ho mampitarazoka ny fanatanterahana ilay «Opération kara-panondrom-pirenena» ny minisitry ny atitany. Ingahy minisitry ny vola kosa anefa dia mamerimberina fa misy ny lalàna tsy maintsy hajaina amin’ny famoahana vola fa tsy avoaka araka izay hitiavana azy tsy akory ny volam-panjakana.

Olon’ny vondrona Les AS miaraka amin’i Voninahitsy Jean Eugène ny minisitry ny atitany, raha toa ka olona tena akaikin’i Andry Rajoelina ny minisitry ny vola. Mipetraka eto ny fanontaniana : moa va tena fampanajana ny lalàna tokoa no antony mampitarazoka ny famoahana ilay vola, sa sanatria misy paikady haminganana ny minisitry ny atitany mihitsy ilay izy. Mandeha be koa mantsy ny feo fa mety hanaovana fanadihadiana manokana na «audit» ny ao amin’ny ministeran’ny atitany, izany hoe mety misy ny fitantanana tsy araka ny tokony ho izy na tsy mazava tsara. Ny datim-pifidianana ity miha manatona ihany, kanefa ny mpamoaka ny vola sy ny mpanamboatra ny kara-panondro toa manomboka mifandrafy. Fa dia tsy mba afaka niresaka mangina mihitsy ve fa tsy maintsy tabatabaina ho fantatry ny rehetra ilay olana. Inona ihany ary ity e ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT