Fiaraha-mitantana ny tetezamita misy eto amin’izao fotoana, iaraha-manapaka ny datim-pifidianana, ifampierana ny fampisondrotana ny karaman’ny mpiasam-panjakana.
Tsy misy ny afaka manao didin’ny be sandry fa dia teny ierana ny zava-drehetra. Ny fikarohana io marimaritra iraisana io no naha ela ny famoahana ny anarana tena izy ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM). Miaraka manapa-kevitra, satria samy tompon’andraikitra amin’ny fiainam-pirenena sy izay ataony ny tsirairay avy. Tsy misy afaka manala tena fa dia samy tompon’andraikitra amin’izao krizy mafy manjo ny firenena izao ny mpanao politika sy ny mpitondra nifandimby teto. Misy ny zavatra tsy mety matoa mihemotra fa tsy mandroso i Madagasikara, misy antony lehibe matoa voafetsin’ny vazaha sy ny Afrikana foana isika, ka toa izy ireo indray no manapa-kevitra eo amin’ny toerantsika.
Nilokaloka ny hanova zavatra teto i Andry Rajoelina tamin’ny 2009, revolisiona volomboasary Malagasy, hono. Mby aiza anefa isika izao ? Tsy mbola nahantra tahaka izao ny Malagasy, eny fa na dia tamin’ny taona 80 nampalaza ny filaharam-bary aza. Tsy ho tahaka izao mihitsy isika raha notohizana sy nampiharina ny MAP-n’i Marc Ravalomanana, saingy ny tahaka izay sy ny tsy misy moa mitovy ihany e ! Ny nenina, hono, tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa. Zary tany fanaovan’ny afrikanina fanazaran-tena amin’ny fanelanelanana sy fampiharana ny zavatra nianarany momba ny diplaomasia isika. Mitazam-potsiny ny avara-pianarana sy ny manampahaizana, manesika manesika ihany ny mpanao politika, mahazo laka ny aferafera, miroborobo ny kolikoly. Ary tena mahazendana fa misy ihany ireo mbola mihevitra fa tsy diso mihitsy izy ireo fa tena nety sy ara-dalàna ary ara-drariny ny fanonganam-panjakana nataony, ka nahapotika ny firenena tahaka izao. Sady mipoera no be hambo no tsy mba mahatsapa tena. Aoka re marina, izany ve no hitantana firenena e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.