Tsy maintsy hisy ny vaovao lehibe momba ny fifidianana amin’ity herinandro ity, aorian’ny fihaonan’ny CENIT sy ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra, ary ny masoivoho vahiny eto amintsika izay mikatro-doha eny amin’ny CCI Ivato mandritra ny roa andro manomboka anio.
Efa tena antomotra tokoa mantsy ny datin’ny 9 mey hanombohana ny fifidianana. Hatreto anefa dia mbola mitoetra foana ny ahiahy ny amin’ny hitazonana na tsia io daty io. Mbola iadian-kevitra ihany koa aza, ny hoe fifidianana filoham-pirenena sa solombavam-bahoaka no halefa mialoha. Raha ny fahitana ny sehatra iraisam-pirenena aloha araka ny efa noresahan’ireo diplaomaty maro samihafa eto amintsika, dia hajaina araka ny nanoratana azy io zotram-pifidianana io fa tsy misy kitihana na ny kely aza. Matoa anefa misy ny fivoriana hataon’ny CENIT sy ny mpanao politika eny Ivato, dia ao raha. Misy antony koa matoa manatrika izany fihaonana izany ireo masoivoho vahiny.
Efa mazava izao fa tsy miankina amin’ny lafiny teknika fotsiny ny fanatanterahana ny fifidianana fa tsy maintsy mifandray amin’ny politika ihany koa. Fifidianana madio sy mangarahara, manaraka ny fepetra sy ny fenitra iraisam-pirenena no tanjona ho amin’ny fametrahana rafitra vaovao lanim-bahoaka amin’ny fomba demokratika. Ny ahiahy anefa tsy hihavanana, koa izay angamba no anton’ny fifampidinihana mba hikarohana ny marimaritra iraisana, dia mba tena ho tanteraka tokoa fa tsy ho nofinofy fotsiny ilay hoe eken’ny rehetra izay voka-pifidianana mivoaka eo fa tsy hisy intsony ny fanoherana sy fanakianana mahery vaika, izay mety hitarika korontana…indray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.