Politique

Donak’afo : Tari-tokana


  • Zoma 28 Desambra 2012

Mifandimby miaka-tsehatra sy mibahana ny seraseram-baovao eto an-toerana ireo mpomba an-dRajoelina tamin’ity herinandro ity.

 Tampotampoka eo dia mamoron-dia mitety vohitra ireo CST sy CT milaza fa manao tatitry ny fitovian’ny Parlemanta amin’izao ankatoky ny fety izao (?) Ny hafa indray manangam-bovona tsotra izao mitaky ny fialan’ny praiminisitra mihitsy, hono. Mahafantatra ny zavatra ambarany ve izy ireo, sa irahina ho mpitondra teny ka manao tsianjery ny hafatra tiana hampitaina fotsiny ? Mazava ny voalazan’ny andininy faha-6 ao amin’ny tondrozotra amin’ny fomba fanoloana mpikambana ao amin’ny governemanta fa tsy vitan’ny amboletra toy ny nanendrena “Notable” sy olona tendren’i Andry Rajoelina ho mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Tsy levon’ny vavonin’ireo mpomba an-dRajoelina ilay tolokevitra “Ni…Ni” ataon’ny SADC, mba tsy hilatsahan-dRajoelina sy Ravalomanana amin’ny fifidianana. Tolokevitra izay mbola nitarin’ny Praiminisitra Beriziky aminy ihany koa, hany ka dia mitady hevitra handravana ny tondrozotra ny mpomba an-dRajoelina, mba hiverenana amin’ny fitondrana tari-tokana, hiverenana amin’ny manjaka tokana sy ny tsy refesi-mandidy.

 
Britto 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT