Miady an-trano, tsy mifanara-kevitra ary samy miseho azy ho dadany sy «favori» avokoa amin’izao ireo mpanao politika zanaky ny faritanin’i Toliara.
Vaky ambatolampy ny ady nangatsiaka noezahina nafenina hatry ny ela tao amin’ny antoko PSDUM vokatry ny tsy fitoviam-pijery sy tadin-dokanga teo amin’i Lahiniriko Jean, filoha sy i Reboza Julien, sekretera nasionalin’ity antoko ity. Tsy levon’ny vavonin’ingahy minisitry ny rano, zanak’Amboasary Atsimo, ny filazan'i Lahiniriko Jean (Betioky Atsimo) fa ho kandida filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izy. «Nandika ny lalànan' ny antoko i Lahiniriko Jean ka tsy maintsy hampiharina aminy ny sazy», hoy Reboza Julien dia iny niafara tamin’ny fanalana an'i Lahiniriko Jean tsy ho mpikambana ao anatin'ny UDR-C iny ny raharaha izao ary ho hita eo ny tohiny.
Tsy takona afenina ary efa fantatry ny mpanara-baovao koa ny tsy fitoviam-pijery sy ny disadisa eo amin’i Maharante Jean de Dieu sy i Tinoka Roberto, samy filoha lefitra ho an’ny faritanin’i Toliara sy lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny TGV. Iry voalohany izay filohan’ny FIZAFATO (Fikambanan’ny zanaky ny Faritanin’i Toliara), araka ny resaka mandeha, dia efa misy antokon’olona hanolotra azy ho kandidà. Camille Vital izay praiminisitra teo aloha, i Reboza Julien, ary i Monja Roindefo indray dia efa mandeha ny kajikajy politika amin’izao. I Monja Roindefo moa dia efa nilaza ofisialy, fa hiverina eo amin’ny tontolon’ny politika amin’izay manomboka amin’ny volana febroary io. Ho nofinofy ihany ho an’ireo politisianina samy te-ho «favori» avy any Toliara ihany ny resaka mandeha sy voizina ankehitriny, fa tokony ho olona avy any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara indray no hitondra ny firenena vokatr’ity ady an-trano ity.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.