Politique

Donak'afo : Modely sampona


  • Alarobia 06 Febroary 2013

Tsy mety milamina ny ao anaty governemanta ao hatramin’izao. Efa nisy ny fikasan’ny ankolafy iray hanolo ny minisitra natolony fa hoe tsy mahavita ny asany, hono, ary manala baraka fotsiny ny ankolafiny.

 Tsy nety niala anefa io minisitra io ary dia mbola tafatombina tsara amin’ny sezany. Mandeha ihany koa ny volana sy ny taona fa tsy misy misolo hatramin’izao ny minisitry ny tontolo iainana, ary dia mifandramatra indray ny praiminisitra sy ny minisitry ny serasera. Ity farany moa dia malaza fa tena matetika no tsy manatrika ny filankevitry ny governemanta. Dia ifandimbiasan’ny roa tonta ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny gazety sy ny haino aman-jery fa tsy mba afaka mifanatona sy miresaka mivantana mihitsy angamba izy ireo. Ka inona moa ny asa handeha raha toa ka ny lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny serasera, mpitondra ny teniny no tsy mifankahazo tahaka izao e ? Ny iray dia ny tondrozotra no ambarany fa lehibe mibaiko azy, ny iray kosa mety mihevitra fa ny filohan’ny tetezamita ihany no sefony. 

Tsy izany ve no atao hoe : krizy ao anaty krizy ? Tokony hiainga avy any ambony  ny ohatra, ireo mpitarika no atao fitaratra amin’ny resaka fitoniana sy fampihavanana. Toa modely sampona sy manondrana anefa no fahitana azy ireo, manampahefana anarana fotsiny fa manao vava tsy ambina tahaka ny mpiady an-tsena ihany. Misy koa ny manampahefana kanefa tsy mahavita mampihatra ny fahefany, miresaka dia miteny dia izay fotsiny, tsy mety miala amin’ny toerany kanefa tsy hita izay tena asa goavana vitany ary na ny olona eo ambany fahefany aza tsy voabaikony akory. Dia tena modely sampona tokoa marina e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT