Politique

Donak’afo : Mitaintain-dava


  • Alarobia 26 Desambra 2012

Ity no krismasy farany iarahantsika ato anatin’ny tetezamita, hoy i Andry Rajoelina nanoloana ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny prezidansa ny alatsinainy 24 desambra teo, fotoana natokan’izy mivady hizarana fanomezana ho an’ny mpiasa sy kilalao ho an’ny zanaky ny mpiasa.

 Na tsy nivantana aza ny filazany dia efa endrika fanaovam-beloma no nataony. Samy miandry izay ho fanapahan-keviny marina mikasika ny filatsahan-kofidiany na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 8 mey 2013 moa ny rehetra. I Andry Rajoelina izay hita ho efa niomana fatratra ho amin’izany, tamin’ny efa nisalorany samboady fanaon’ny filoha voafidim-bahoaka nanomboka ny 21 martsa 2009, nitohy tamin’ny fanovana lalàmpanorenana ka namerana ho 35 taona ny fe-taona farany ambany ahafahana milatsaka hofidiana ho filoham-pirenena, narahina fanorenana fotodrafitrasa izay efa manomboka tokanana amin’izao. Sanganehana anefa i Andry Rajoelina ankehitriny, rehefa nilaza ampahibemaso ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy ho kandida. Noho ny tsy fananany fahasahiana manapa-kevitra sy hiteny dia ataony mitaintain-dava eo ireo mpomba azy.

Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT