Politique

Donak'afo : Mino hatramin’ny farany


  • Zoma 04 Janoary 2013

Na dia tsy mbola tafiditra teto Madagasikara mihitsy aza tato anatin’ny efa-taona latsaka kely Atoa Marc Ravalomanana dia tsy azo lazaina mihitsy fa resy izy na hoe efa adino tanteraka.

 Ny hita aza dia manomboka malemy sy mihena ny herin’i Andry Rajoelina fa tsy tahaka ny tamin’ny martsa 2009 intsony. Nihena an-toerana tahaka ny fen’antitra ireo mpanara-dia azy, na olon-tsotra io na mpanao politika, ary efa mibaribary be izao fa manomboka misintaka tsimoramora aminy i Frantsa, nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana nataony. Misy ireo tena resy lahatra fa vita hatreo ny amin’i Dada, taorian’ny nanambarany fa tsy ho kandida izy.

Dia mety tsy mahalala tsara an’i Marc Ravalomanana sy finoany ary ny herintsainy tokoa angamba, ireny olona ireny ka nahateny izany. Inona no tsy natao mba hanapotehana ity filoha teo aloha ity saingy mbola mijoro tsara ihany izy hatramin’izao. Vola be, manampahaizana, mpanao politika, rafitra sy fikambanana iraisam-pirenena, mpitondra fivavahana, basy aman-tafondro. Nampiasaina daholo izany saingy tsy naharava ny finoan’i Marc Ravalomanana, fa aminy dia tsy maintsy tonga eto Madagasikara tsy ho ela intsony izy, tonga hiaraka hiasa amin’izay vonona rehetra amin’ny fanarenana ity firenena ity. Izy irery hatreto no filoham-pirenena nanetry tena ka niala tsiny sy nifona tamin’izay rehetra nanana alahelo taminy ary mbola nanaiky tsy ho kandida koa noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tena mbola afaka taona maromaro ihany ny sasany vao hanana fahamatorana sy fahendrena tahaka izany an !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT