Politique

Donak'afo : Milamina vetivety


  • Alakamisy 20 Desambra 2012

Hitodi-doha an-tanindrazana anio i Andry Rajoelina rehefa avy ny vahiny telo andro tany Frantsa tany. Andrasana indray izay tatitra mety ho ataony.

 Misimisy ihany mantsy ny zava-nitranga teto, tahaka ny fihemoran’ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc tampotampoka teo. Ny fifanolanana eo amin’ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo sy Alain Ramaroson miaraka amin’ireo mpikambana CST maromaro ihany, noho ny raharaha Nadine Ramaroson. Nanao antso avo avy any Paris ho an’ny rehetra mba ho tompon’andraikitra sy ho tony moa i Andry Rajoelina. Mbola manitikitika ny maro koa ny momba ny fodian’Atoa Marc Ravalomanana. Manaiky an’io ihany ve sa tsia ny fitondrana tetezamita ? Inona no tena votoatin-dresaka tany Lafrantsa tany, resaka fifidianana ve sa inona ? Miandrandra fety milamina ny Malagasy, satria efa leon’ny savorovoro politika, ny asan-dahalo, ny vaky trano sy ny famonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana maro samihafa. Tena hisy marina ve ny fitoniana amin’ity indray mitoraka ity, sa mody milamina andro fety fotsiny, tahaka ny nahazatra nandritra izao tetezamita izao, fa rehefa avy eo dia miverina indray ny sangodim-panina, satria vahaolana petatoko foana no atao eto.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT