Nampitandrina ireo masoivoho vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena eto amintsika fa tsy azo ekena ny fifidianana tandrametaka na tsy araka izay efa nifanarahana.
Valin-kafatra ho an-dRajoelina manonofy hanao fifidianana solombavambahoaka alohan’ny filoham-pirenena avy hatrany io. Totoafo koa ny toromarika avy any amin’ny SADC momba ny famotsoran-keloka, ny sata manokan’ireo filoha teo aloha, ny fanajana ny tetiandrom-pifidianana sy ny tondrozotra ary ny tokony hilaminan’ny rehetra. Manomboka miady an-trano ireo vondrona politika mpanohana ny filohan’ny tetezamita, nilaza ny ho diso fanantenana ny ankamaroan’ireo mpitolona tamin’ny 2009, eo am-piketriketrehana izay kandida hatolony ny TGV. Manitrikitrika ny ankolafy Ravalomanana fa tsy maintsy ampiharina manontolo ny tondrozotra ary tsy maintsy tafody eto i Dada. I Andry Rajoelina koa anefa, etsy ankilan’izay manizingizina fa rehefa vita ny fifidianana vao mety afaka mody eto i Marc Ravalomanana.
Maro koa anefa ny olon-tsotra velom-panantenana fa mba hilamina amin’izay ny firenena satria manomboka tonga saina ny mpanao politika, na dia mbola misy ihany aza ireo tia tena sy tsy mieritreritra afa-tsy ny hameno ny paosiny. Efa tena maro loatra anefa ny sinema natao teto ka tsy maintsy misy foana ny ahiahy e ! Iaraha-mahalala rahateo fa misy tsy mena-mivadika amin’ny sonia nataony sy ny teny nomeny eto, fa resaka ka mba atao. Efa ela ihany mantsy izay saika nilamina izay, fa avy eo niverina “zero” foana ny resaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.