Olo-meloka tanteraka eo imason’izao tontolo izao i Andry Rajoelina. Ny azo antoka dia noho ilay fanonganam-panjakana nataony tamin’ny 2009, tsy ferana ny trangan-javatra hafa niseho teto amin’ny firenena.
Loza nitatao tao an-dohan’ny filohan’ny tetezamita foana iny fanonganam-panjakana iny hatramin’izay ka hatramin’izao, ary efa fantatra fa tsy maintsy hifototra aminy. Maika loatra i Andry Rajoelina ary tsy nahandry tantana fa tonga dia nandrombaka fahefana rehefa nahazo toky sy fampirisihana tany ambadibadika tany. Raha tena nahay politika anefa izy dia mety efa filoham-pirenena voafidim-bahoaka ohatr’izay. Nandany andro nanapotika an’i Marc Ravalomanana sy niezaka namafa ny zava-bitany i Andry Rajoelina, kinanjo vizana mialoha ny fotoana ny farany, ary izao dia tsy maintsy omena famotsoran-keloka politika ihany, tahaka ny olona rehetra nohenjehana sy nogadraina nandritra ny fitondrana tetezamita.
Mbola tanora saina loatra i Andry Rajoelina ka tsy ampy nofitahan’ireo dinaozoro politika manodidina azy. Mety tsy mbola takatry ny sainy koa angamba ny diplaomasia avo lenta eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena koa dia natoky an-jambany izay nilaza fa nanohana azy izy. Raha mbola mieritreritra ny hitantana firenena ihany any aoriana any ny filohan’ny tetezamita dia tsaratsara ho azy ny mianatra mihitsy aloha satria maro be ny zavatra tena tsy mbola voafehiny, voalohany amin’izany ny fihetseham-pony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.