Raha ny fahitana ny kabary nifamalian’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny filohan’ny tetezamita teny Iavoloha omaly ireny aloha dia tena mbola mivandravandra ny fisian’ny krizy eto amintsika.
Tsy niova mihitsy i Andry Rajoelina fa dia mihevitra fa ny azy foana no marina ary fanadalana saim-bahoaka no ataon’ny hafa, raha mba mitaky ny hampiharana tanteraka ny tondrozotra. Tsy raharahan’ny filohan’ny tetezamita izay tatitra nataon’ny Amnesty International na ny fanakianan’ny Amerikanina ny resaka tsy fanajana ny zon’olombelona misy eto. Fa aminy dia mety tsara ny zavatra rehetra ataon’ny tetezamita. Mazava izao fa tsy izany hoe Andry Nirina Rajoelina izany mihitsy no hiaiky heloka sy hibebaka na hanetry tena, eny fa na dia mety efa i Jesoa Kristy aza no mijoro manoloana azy.
Toa vao mainka mieboebo sy diso matoky tena i Andry Rajoelina taorian’ny fivahinianana masina nataony tany Jerosalema. Aminy dia mpanakorontana ny mpanohitra, nokianiny mafy ny sehatra iraisam-pirenena, tsy hamelany raha tsy ovaina ny fifanarahana eo amin’ireo kaompania lehibe mitrandraka harena ankibon’ny tany eto, ary hotohizana ihany ny fanorenana fotodrafitrasa goavana, na misy na tsia ny fifidianana. Ka inona izany fa tsy efa mihevi-tena ho mpanjaka tsy refesi-mandidy mihitsy ingahy Rajoelina ka afaka manao izay tiany amin’ny volam-panjakana, amin’ny fotoana rehetra itiavany azy, izy rahateo efa tia manao akanjo tahaka an-dRadama.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.