Politique

Donak'afo : Mialŕ raha sahy !


  • Zoma 01 Febroary 2013

Nanararaotra ny lanonana fanolorana saina ireo jeneraly 31 lahy vao nahazo fisondrotana grady farany teo i Andry Rajoelina omaly no nanao karazana valin-kafatra ho setrin’ny fisintahany tao amin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, rehefa henjana ny adihevitra momba ny fifidianana hatao amin’ity taona ity.

 Notsahiviny fa efa nifanarahan’ny mpitondra ny tetezamita sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tsy maintsy hisian’ny fifidianana amin’iny 08 mey, ka nilazany fa tokony hahatsapa tena hiala izay tsy vonona hanatanteraka ny andraikiny hanatontosana ny fifidianana mba tsy hamitaka ny vahoaka. Tsy namerina ny faniriany amin’ny tokony hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena i Andry Rajoelina na dia fantatra aza fa misisika mafy ny hahatanteraka izany. Araka ny loharanom-baovao dia fanirian-dRajoelina ny hamerana eo anelanelan’ny 150 ka hatramin’ny 190 ny isan’ny depiote, ka ny 12 amin’ireo dia voafidy eto Antananarivo, renivohitry ny Faritra Analamanga.

Misy anefa renivohi-paritra sady renivohitra Distrika, tokana ny depiote ao aminy, ary nampisy adihevitra nitarika tamin’ny fifamalian’ny samy minisitra, nitarika firavan’ny filankevitry ny minisitra. Koa raha miteny ankehitriny i Andry Rajoelina fa tokony hahatsapa tena hiala izay tsy vonona, dia mipetraka aminy ny fanontaniana raha sahy hiala izy raha tsy ny tolokeviny hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena no arahiny. Raha ny voavolavolan’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana mantsy dia ny fifidianana filoham-pirenena no hatao amin’ny 08 mey.

Britto 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT